Namaly ny antso nataon’ny kaomity natsangana amin’ny fanaovana fitia tsy mba hetra amin’ny fanangonam-bola hanampiana amin’ny hananganana ny oniverisite aty Alaotra Mangoro ny vahoakan’Ambatondrazaka .Araka ny loharanom-baovao dia fantatra fa ny fanjakana foibe no hanangana Oniverisite ho an’ny faritra Alaotra Mangoro ho fanampin’ny ao Ambohitsilaozana ary ny vahoaka sy ny mpitondra aty an-toerana no hijery ny toerana hanatanterahana izany .Tapaky ny rehetra araka izany fa ao Andrarabary Ambatondrazaka no hanatanterahana izany ,satria nisy ny olona tsara sitrapo nanolotra ny tany taorian’ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra taty an-toerana nijery ilay toerana .Raikitra ny fanombohana ny asa rehetra tamin’ny alalan’ny fanarenana ilay tendrombohitra hisian’ilay oniverisite, ny loholon’I Madagasikara samy irery no nitarika ny asa. Somary maisamaisatra ny asa ka nanapa-kevitra ny fikambanan’ny ben’ny tanana sy ny loholon’i Madagasikara, Atoa Rabenony Day, ny hanao fitia tsy mba hetra ho fanafainganana ny asa ,ka tontosa ny faha 24 ,25 sy ny faha 26 Aogositra 2017 teo izany fitia tsy mba hetra izany izay nahazaoana vola mitentina 1 426 200 AR .Nanampy betsaka tokoa ny vahoaka ary miandrandra fampandrosoana haingana, indrindra amin’ny tontolon’ny fampianarana aty Alaotra Mangoro ;ary nisaotra ny loholon’i Madagasikara sy ny fikambanan’ny ben’ny tanana izy ireo ary maniry ny hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana ny vola voangona mba hitsanganan’ny oniverisite aty Alaotra ,ary nisaotra ny mpanao gazety rehetra tamin’ny fanentanana tamin’ireo onjam-peo.
Janus R