- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Nankalaza ny tsingerintaona nijoroany ny Polisy Nasionaly

Ambatondrazaka : Nankalaza ny tsingerintaona nijoroany ny Polisy Nasionaly

Hazakazaka vao maraina sy dinidinika mahakasika ny asa ary fiaraha-mikoranan’ny samy polisy no nentina nankalazana ny tsingerintaona nijoroan’ny polisim-pirenena teto Ambatondrazaka. Araka ny nambaran’ny Kaomisera Divizionera Randriamiamina Wilson, dia nanomboka tamin’ny taona 1961 no nijoroan’ny polisy voalohany teto Madagasikara ,ka Malagasy no nitantana azy   ary io no ankalazaina manomboka izao. Anisan’ny ezaka goavana ny atao amin’izao fotoana izao amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna ary manao ezaka goavana ny polisy anefa hadino hatrany ny fotoana nitsanganan’ny polisy teto Madagasikara .Nanambara ny Kaomisera Divizionera fa, hitohy hatrany ny ezaka atao na ny fisafoana ny tanàna na ny fidinana eny ambanivohitra amin’ny fampandriana ny fahalemana ,akaiky ny vahoaka ny polisy, ka tokony hampiana hatrany. Raha ny taona 2014 ity dia nisy ny fakana ankeriny sy ny fampijaliana ankizy, ka ny polisy hatrany no mahatratra ireo mpanao ratsy.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser