Lasa tao anatin’ny fotoana fohy ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary. Nasesin’ny jiolahy mitam-piadiana, ny trano telo mifanakaiky tao Ambatondrazaka, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Raha araka ny fanazavana azo, dia basim-borona sy antsy lava no nentin’ireo mpanafika. Nampiasainy ny basy ary nirefodrefotra mihitsy aza izany, nentin’ireo nandemena ny sain’ny olona tao anatin’ny tokantrano notafihina. Nisy volamena, nisy vola ary nisy ihany koa kojakoja hafa lasan’ireo olon-dratsy tao anatin’izany fanafihana misesisesy tao anatin’ny indray alina izany. Nahoraka tao Ambatondrazaka ny zava-niseho, satria tsy dia nisy loatra ny toa izany hatrizay. Nisy mihitsy aza ny naratra mafy tao antin’ity asan-jiolahy ity, raha araka ny vaovao avy any an-toerana hatrany.
D.R