- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Niakatra teny anivon’ny prefekitiora ny raharahan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy

Ambatondrazaka : Niakatra teny anivon’ny prefekitiora ny raharahan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy

Taorin’ny sakoroka niseho tao amin’io fiangonana io, ny alahady voalohan’ny taona, ka nahitana naratra tafiditra hopitaly mihitsy, dia nisy ny fiakarany teny anivon’ny zandary noho ny fitorian’ny ankilany .Nandray andraikitra avy hatrany ny teny anivon’ny kaominina Ambotsilaozana ka nampanantsoina teny anivon’ny prefekitiora ny raharaha ,izany hoe ireo mpino izay nifanolana niaraka tamin’Ingahy mpitandrina .Noho ny ezaky ny prefen’Ambatondrazaka niaraka tamin’ireo mpitandro ny filaminana dia niravona ny disadisa rehetra ao amin’ity trano fiangonana ity, ka tao anatin’ny fifaliana no nentina nody tany Ambotsilaozana, tanànan’izy ireo .Ny irarian’ny rehetra dia ny handraisan’ny foiben’ity fiangonana ity andraikitra amin’ izao raharaha izao mba tsy hiverenan’ny zavatra tahaka izany, satria ny tranon’Andriamanitra mihitsy no nalam-baraka .Misy mandefa feo mantsy ny ankilany fa horoahina ao amin’ny fiangonana ireo mpino niady tamin’ny ekipan’ny mpitandrina ,ka raha manangona ny ondry very no adidin’ny mpivavaka dia ny mifanohitra amin’izay no misy ,raha tanteraka izany ,inoana anefa ny samy hifamela heloka.

                                                                                                                         Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici