Nivarahontsana ny iray tanàna, tao amin’ny fokontany Tanambao-Ambatondrazaka. Nirefotra niverimberina ary nanakoako amin’ny andro antoandro ny poa-basy. Nandeha ihany koa ny fanenjehana hatrany anaty lobolobo sy ala ary fasana. Raha araka ny vaovao nampitaina dia nisy vaovao azon’ny mpitandro ny filaminana momba ny fisian’ny trano manafina jiolahy. Nidina teny an-toerana ny mpanao fanadihadiana ary nanao fisavàna ilay toerana. Vao nahita tazan-davitra izany ny olona tao anaty trano dia rifatra nitsoaka. Nisy ampahany tamin’ny mpitandro ny filaminana nanohy ny fisavàna ny trano ary nisy koa ny nanohy ny fanenjehana. Tsy nety nijanona na nanapoahana basy aza ireo voarohirohy ho jiolahy. Nisy ny niery tany anaty fasam-poana, raha araka ny vaovao nampitaina hatrany. Hatramin’ny fotoana nanoratana dia mbola nitohy ny fanenjehana ireo heverina ho olon-dratsy. Etsy andanin’izany, hita nandritra ny fisavàna ny trano ny entana maro samihafa sy fanamiana miaramila isan-karazany. Tsy mbola nisy ny voasambotra hatramin’ny fifaranan’ny tolakandro. Ampitaina manaraka ny fivoaran’ny raharaha.
D.R