Noho ny firotsaky ny orana sy ny fiakaran’ny ranobe dia samy tapaka avokoa ny lalana miditra sy mivoaka ny tananan’Ambatondrazaka, nanomboka ny sabotsy hariva faha 01 febroary ka hatramin’ny alahady faha 02 janoary 2014 maraina. Raha ny lalana mianavaratra aloha dia efa nandritra ny fotoana maro no tsy afaky ny fiara intsony, fa ny mianatsimo miakatra ny renivohitra no tena nanahirana ny mponina, satria tafahitsoka tao avokoa ireo fiara , na ny hianavaratra hiditra ny tananan’ Ambatondrazaka izany na ireo saika hivoaka ny Tanana. Tsy azo naleha mihitsy mantsy ny teo Manakambola, 3Km miala ny tanana, fotaka mandrevo sy rano mihangona, izay lalina, no teo amin’ny lalana ka tsy afaky ny fiara mihitsy. Natory teo avokoa ireo fiara saika hihazo an’Ambatondrazaka, lava dia lava rahateo ny lalana simba. Na ireo fiara vaventy feno solika aza dia tsy afa nanoatra fa dia samy natory tao ,naresaka vetivety ny tanana ,ary samy mailo teo amin’ny fandriam-pahalemana ny rehetra. Fiara am-polony maro sy vahoaka marobe no natory teo ka ny maraina vao nisy vatan-dehilahy tao an-tanana nanamboatra ny lalana tamin’ny angady sy nikarama, ary dia 5 000 Ar ny fampitana fiara iray. Efa hatry ny ela moa ny fahasimban’ity lalana Manakambola ity fa dia tsy mbola nisy ny fanamboarana hatramin’izao.
Janus R