- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Nitokona nanodidina ny tanàna ny taxi-moto ,saika raikitra ny sakoroka

Ambatondrazaka : Nitokona nanodidina ny tanàna ny taxi-moto ,saika raikitra ny sakoroka

Taxi-moto an’arivony no nitokona  nanodidina ny tananan’Ambatondrazaka , nobahanan’izy ireo avokoa ny lalana mifanerasera eto amin’ny  renivohitr’ ’Ambatondrazaka izay nitondran’izy ireo sorabaventy izay misoratra hoe « Aza hanaovana tsindry azo lena ny taxi-moto »  ,mitsoka kiririoka mafy nanerana ny tanana izy ireo  ka nifarana  teo anoloan’ny biraon’ny kaominina .Mpitandro ny filaminana avy tamin’ny polisim-pirenena no efa niatrana nanodidina ny vavahadin’ny kaominina,Nanao amboletra hiditra ny biraon’ny kaominina ireto mpitokona marobe ka raikitra ny horakoraka sy nanomboka nisy nitorabato ,nihahenjana tanteraka ny fifamaliana  ,nakatona avokoa ny biraon’ny kaominina ,nalaky tonga ny teny anivon’ny zandary  izay efa nivimbina baomba mandatsa-dranomaso ,ka hita fa nanomboka niha-nalefaka  ny fihetsiketsehana ,nanomboka navoakan’ny teny anivon’ny kaominina ihany koa ireo taxi-moto izay voatazona . Raha ny zava-misy dia nanomboka ny maraina no nanao fisavana ireo taxi-moto tsy ara-dalàna ny mpiasan’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana ka moto marobe no voasambotra ka nampidirina » fourrière » teny anivon’ny biraon’ny kaominina  ,io fisavana io no tsy nahafaly ireo taxi-moto ireto izay samy manana ny fikambanany avokoa  ka izao  lasa nitokona izao .Nanambara ireo taxi-moto fa  manararaotra ny kaominina amin’ireo antotan-taratasy savaina aminay ,lafo loatra ny saran’ny « fourrière » manararaotra ny mpitandro ny filaminana  amin’ireo vola alaina aminay ka izany no antony mapitokona anay tahaka izao .Araka ny nambaran’ny ben’ny tananan’Ambatondrazaka  dia noho ny fitarainan’ireo taxi-moto ara-dalàna dia tsimaintsy nanao fisavana izahay ,satria maro ireo tsy manana antontan-taratasy miasa akory ,raha 625 no isan’ireo taxi-moto ara-dalàna dia efa mananika ny arivo mahery izy ireo no miasa ka tsimaintsy ampiharina ny lalàna manakery .Niravina ihany anefa ny disadisa rehefa navoaka tsirairay ireo moto ampolona voasambotra rehefa avy nandoha ny sarany tokony halohany ireo fikambanana taxi-moto maro.  

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici