- Publicité SW45 -
lundi, juin 24, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Noloarana ny masony, notapenana ny vavany avy eo naolana

Ambatondrazaka : Noloarana ny masony, notapenana ny vavany avy eo naolana

Ny alahady hariva teo no niseho ny habibiana nataona lehilahy maromaro tany Ambatondrazaka, na ny marina kokoa teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohitranjakana. Vehivavy iray no fantatra fa niharan’ny herisetra tsy nisy ohatra an’izany. Noloarana ny masony, notapenana lamba ny vavany ary avy eo naolana. Tamin’io alahady io, avy nandeha nitsangantsangana niaraka tamin’ny namany ity vehivavy ity. Hody any Ambato ry zareo. Rehefa teo amin’io tanàna voalaza io anefa, nividy zavatra tao amiana mpivarotra iray. Nisy lehilahy somary nananihany nilaza taminy tsy handeha maizina fa misy mpanendaka. Niteny ity farany fa vonona ny hanatitra azy ireo. Teny an-dalana anefa, nosintonin’io lehilahy io izy ary nentina tanaty kirihitra. Tampoka, nisy olona hafa tonga ary dia niharan’ny habibiany teo ilay vehivavy. Nanao mody torana izy tamin’izany. Reny avokoa ny resak’ireo bandy. Henony fa nandeha nitady antsy ry zalahy handidiana ny kibony hangalana ny atiny. Raha vao variana anefa ireo, afaka nandositra izy ary tonga tany amin’ny mpitandro filaminana nitantara ny zavatra nanjo azy. Tsaboina eny amin’ny hopitaly ity vehivavy ity amin’izao fotoana izao. Potika tanteraka ny masony havanana. Misy diana ratra ny tendany, ny kibony sy faritra hafa. Misahotaka ny mponina any an-toerana eo anoloan’izany. Vao roa herinandro mantsy izao no nisy namono ny mpampianatra mivady teny Andaingo. Voalaza koa fa simba ny masaon’izy ireo. Mirona any amin’ny filazana fa misy ny halatra taova any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Janus

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser