- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Noratrainy tamin’ny vakin-tavoahangy sy nokendainy ho faty ny vadiny

Ambatondrazaka : Noratrainy tamin’ny vakin-tavoahangy sy nokendainy ho faty ny vadiny

Habibiana indray no nitranga tao Ambohimasina, Ambatondrazaka, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Vehivavy iray 25 taona no hita faty nihantona teo am-bavaravarany. Nahagaga ny maro anefa ny nahità ratra teo amin’ny tanany, nahafahana naminavina avy hatrany fa tsy famonoan-tena no nahazo ity vehivavy ity. Ny vadiny avy hatrany moa no noahiahian’ny rehetra ho tao ambadik’izany vono olona, noezahina naseho ho famonoan-tena, izany. Raha ny angom-baovao azo tokoa mantsy dia miambina tranon’olona teny Ambohimasina teny ireto mpivady ireto. Teny an-dalana anefa dia hitan’ny olona nifamaly izy ireo, ary nitohy hatramin’ny alina. Ny maraina dia io hitan’ny olona nihantona tao an-trano io ilay vehivavy. Tamin’ny famotorana natao, hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny mpitandro filaminana izay nisambotra ilay rangahy, no niaikeny fa izy no nahavita ny heloka. Nentin-katezerana loatra ingahirainy ka notsindrominy tamina vakina tavoahangina labiera ny tanan’ilay vehivavy teny an-dalana. Nony tonga tany an-trano dia mbola nokendainy ihany ary namoy ny ainy nony avy eo ilay ramatoa vadiny. Teo vao raiki-tahotra ny anao lahy ka izao noraisim-potsiny izao. Androany, raha tsy misy ny fiovàna, no atolotra ny fampanoavana ity rangahy nahavita namono ny vadiny ity.

Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici