- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Notondrahan-dramatoa ny rano mangotraka rangahy

Ambatondrazaka : Notondrahan-dramatoa ny rano mangotraka rangahy

Tsy ny vehivavy ihany no mety iharan’ny herisetra fa ny lehilahy ihany koa. Tany Avaradrova Avaratra any Ambatondrazaka no niseho ny tantara. Notondrahan-dramatoa ny rano mangotraka iray vilany rangahy vadiny. May ary nitsovaka mihitsy ny ilan-tsandry sy ny tratran’ilay raim-pianakaviana. Nandositra avy hatrany moa ilay vehivavy nahavanon-doza raha vantany vao nahavita ity fihetsika feno herisetra ity. Polisy sendra nandalo nahita ny fitangoronana sy ny zava-nitranga no nandray andraikitra ka nisambotra ilay ramatoa. Voasambotra ihany izy io ary notanana hanaovana fanadihadiana eny amin’ny kaomisaria. Nentina eny amin’ny hopitaly kosa ilay rangahy nanaraka fitsaboana. Araka ny fanazavana, noho ny fifamaliana nisy teo amin’ireto mpivady ireto no nitarika ny fihetsik’ilay ramatoa ho nahavanon-doza. Toe-javatra izay mety hitarika ho amin’ny fahafatesana mihitsy. Amin’ny lalàna, tsy misy ny maha lahy na maha vavy amin’ny resaka herisetra mifandray amin’ny mira lenta. Matetika ny vehivavy no iharan’ny herisetra ary henjana ny fanenjehana sy ny vesatra mahazo ny lehilahy eny amin’ny fitsarana. Amin’ny tranga toy ity, samy miandry ny rehetra ny amin’ny fapahan-kevitry ny fitsarana manoloana ny vehivavy manao herisetra manoloana ny vadiny.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici