- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Novonoina dia nesorina ny mahalehilahy azy

Ambatondrazaka : Novonoina dia nesorina ny mahalehilahy azy

Ny trano tsy nisokatra ny maraina no nahagaga ny manodidina, satria anisan’ny lehilahy mpiasa mpifoha maraina ity lehilahy iray ity .Nantsoina ny lehiben’ny fokontany ka novakiana ankeriny ilay trano.Gaga ny rehetra fa vatana efa mangatsiaka misavoritaka ho hita tao an-trano ,natao ny fizahana rehetra ka fantatra fa nisy nanaisotra ny voan’ny filahiany roa  ka nirozaroza fotsiny teo. Mampieritreritra ny rehetra ity tranga iray ity amin’izao fotoana izao satria  mipetraka irery  rahalehilahy, ny trano mihidy avy any anatiny.Tao Tanambao Ambohimasina Ambatondrazaka no nisehoan’izany, ny alin’ny Asabotsy  14 jiona 2015 teo  ka ny maraina vao hita. Samy manana ny tombatombany sy ny eritreriny  ny rehetra amin’izao fotoana izao, satria vao avy nisarabady ity lehilahy ity ,ka ao ny milaza fa hoe lasan’ny sipany ilay zavatra nesorina taminy teo,ao ny milaza fa lasan’ny tompony izay toa lasa resabe. Mandeha ny fanadihsadiana amin’izao fotoana izao ka ho hita eo ny marina.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser