Ary dia tena nahomby tokoa izany. Omaly maraina dia dahalo telo no voasambotry ny fokonolona tao amin’ny tanàna antsoina hoe Befitra, eo anivon’ny kaominina Feramanga Avaratra. Mba tsy niharan’ny fitsaram-bahoaka izy ireo fa natolotry ny fokonolona ny mpitandro ny filaminana. Mbola nahatratrarana basy sy odigasy teny amin’ireo olon-dratsy izay tsy namelan’ny olona raha tsy azo. Vao avy nanafika tany Andaingo ireo dahalo ireo ary nikisaka tany Befitra no nifanehatra tamin’ny fokonolona marobe.
D.R
Misaotra ireo fokonolona;atao ahoana fa ireo karamaintsika hanao io raharaha io mbola any antananarivo daholo,miambina
ny MAGRO behoririka.