Na dia nanao ny ezaka goavana aza ny mpitandro filaminana teo amin’ny fampandriana fahalemana ny tany taty Alaotra dia nisy ihany ireo tranga izay tsy azo nialana .Raha ny alahadin’ny paska 20 aprily lasa teo aloha dia olona iray no tratran’ny lozam-piarakodia ,olona iray no namono tena ary olona 2 no voatifitry ny jiolahy ary iray no vokatry ny ady natao. Raha ny Alatsinain’ny paska 21 aprily 2014 kosa dia olona 6 no tratran’ny lozam-pifamoivoizana ary roa no tratran’ny vono sy ny ady izay samy mbola tazonina ao amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka avokoa amin’izao fotoana izao .Tafakatra 6 ireo trano fantatra fa vaky ny Alatsinain’ny paska .Nihena arak’izany raha ampitahaina tamin’ny taona lasa ireo loza ireo satria tsy nahitana ny fanapoizinan’ny sakafo izay matetika mitranga toa saika isan-taona. Nihena ihany koa ny lozam-pifamoivoizana noho ny fampianarana mialoha nataon’ny mpitandro filaminana.Voafehin’ny mpitandro filaminana rahateo ireo fety niseho arak’izany na dia maro aza, satria saika niparitaka manerana ny tanàna izy ireo.
Janus R