Nihosondra tanteraka ny fankalazana ny fety , nanjaka ny tsatoka antsy sy ny vely tavoahangy tao anaty lanonana. Raha tao anatin’ny fifaliana tanteraka no nankalazan’ny ankamaroan’ny maro ny fetin’ny paska, dia alahelo sy andro nanjonitra izany tamin’ny fianakaviana sasany. Izay rehetra novonjena tao anatin’iny Alasinain’ny paska iny dia olona mihosondrà sy maratra mafy avokoa, hany ka nanjaka ny tsaho satria samy miara-mihosondrà ny mpamonjy sy ny novonjena .Tafiakatra 25 ireo olona niakatra teny amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka hatramin’ny 11ora sy sasany alina, nisy tamin’ireo naratra no nisy nanala tamin’ny antsy maranitra ny maha-lehilahy azy , ary dia nikiraviravy hatramin’ny nanjairana izany teny amin’ny tobim-pahasalamana , olona iray kosa no namoy ny ainy vokatry ny tsatoka antsy nahazo azy tao amin’ny takibany. Araka ny fantatra dia vokatry ny rà betsaka nivoaka taminy no nahafaty azy. Ny sasany indray dia ratra izay vokatry ny vely tavoahangy sy tsindrona zava-maranitra .Olona roa izay tena voa mafy no mbola voatazona ao amin’ny tobim-pahasalamana, ny marainan’ny omaly 07 aprily 2015, rehefa samy nahazo fitsaboana sahaza azy ny rehetra, ka samy nalefa nody avokoa. Lanonana 3 goavana no nisy tato anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka ka samy hita fa nahasarika olona avokoa izany ka misy ireo nisotro tafahoatra ny zava-mahadomelina, teo no nanalany ny alahelony tamin’ireo tsy mitovy hevitra taminy .Mandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao amin’ny fanadihadiana mahakasika ireo naratra sy ny maty tao anatin’ny fety.
Janus R