- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Olona roa no nisy nangalatra ny fitaovam-pananahany, mihorohoro ny vahoaka

Ambatondrazaka : Olona roa no nisy nangalatra ny fitaovam-pananahany, mihorohoro ny vahoaka

Nodidiana tamin’ny fitaovana maranitra mihitsy ny fitaovam-pananahan’ireto lehilahy mpiray tampoho ireto satria niongotra hatramin’ilay voany roa ny an’ilay zokiny. Mpirahalahy avy nihava vary ireto  niara-handeha hody hamonjy sakafo ny tolakandron’ny Zoma faha 16 jiona 2017 tokony tamin’ny 2ora sy sasany, izay tany amin’ny  zanabohitra iray ao anatin’ny kaominina Tanambao be Sakay  distrikan’Ambatondrazaka. Raha iny variana ny hody iny  izy ireto teny an-dalana  dia nisy nively  tamin’ny antsy lava ny lohan’ ilay zokiny izay vao 16 taona, nidaraboka tamin’ny tany, ary dia tsy tahotra tsy henatra dia ny maha-lehilahy azy no noesorin’ireto olona  nively azy ireto  araka ny fanazavana, taitra koa ilay zandriny izay vao 4 taona, sady tsy nahahetsika fa ny ranomaso no nijojo, no indro fa voavely  tamin’ny antsy lava ihany koa ny hatony  ka nidaraboka  ka dia noesorina ihany koa ny maha-lehilahy azy. Noho ny halalin’ilay diana antsy lava teo amin’ny hatok’ilay zazalahy 4 taona dia tsy tana intsony ny ainy fa avy hatrany dia maty tsy tra-drano, ilay zokiny kosa no mbola nisy aina ka nitrena mafy ka nisy nandre ny fianakaviany izay miandry omby somary lavi-davitra. Raikitra ny hazolava tao an-tanana, ka nalaky vory ny vahoaka ka nitondra azy mirahalahy hiala teo hoentina any an-tanàna, ary dia nanofana fiara manokana nitondrana azy taty amin’ny hopitaly  Ambatondrazaka ilay zokiny izay mbola nisy aina sy afaka niresaka tsara. Nanao  ny ezaka ny mpitsabo ka avotra soamantsara ny ain’ilay zokiny  taorian’ny fandidiana, fa ilay zandriny dia tany an-tanàna ihany dia namoy ny ainy. Mihorohoro ny vahoaka amin’izao fotoana izao satria mahoraka ny halatra fitaovam-pananahana, nisy mihitsy ny fielezana tsaho moa teo aloha teo tany amin’ny faritra ampitandrefana rehetra iny fa izay tovolahy tsy voafora sy  tovovavy tsy voatevika ny sofiny dia hisy angatra na (lolo) hamora azy sy hitevika ny sofiny, nirohitra namonjy mpitsabo mba hoforaina sy hotevehana avokoa  ny mananjanaka tamin’izay fotoana izay, izao anefa taovam-pananahana efa voafora  no nisy naka. Miteraka resabe eo anivon’ny fiarahamonina aty  Alaotra ity tranga ity « hatao inona  ny filahiana, sa hanaovana ody ratsy indray, sa sotasota sy entina hanakorontanana », mandeha ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao ka ho hita eo ny tohiny.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici