- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Pasitera voatafika, lasan’ny jiolahy ny lakolosim-piangonana

Ambatondrazaka : Pasitera voatafika, lasan’ny jiolahy ny lakolosim-piangonana

Ny alin’ny talata hifoha alarobia, notafihan’olona miisa efatra ny pasitera tao Ambalabako Ambatondrazaka. Rehefa maraina, fantatra fa ny lakolosim-piangonana no nalain’ireo mpandroba. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nitondra basy ireo mpangatra ary nirefotra in-telo izany, hoy ny manodidina nahamarika ny fisehon’ny fanafihana.  Tsy fantatra marina aloha izay niseho fa araka ny lohanom-baovao, tamin’io alina io, efa nalan’ilay mpitandrina tamin’ny toerany ilay lakolosy mba hisorohana ny zavatra hafahafa mety hidranga. Vao niditra anefa ireo mpandroba dia notakiana ny lakolosy.  Tsy afaka nandà ilay pasitera fa nanoro ny toerana nasiany azy. Raha azon’ireo bandy izany dia lasa nandeha ry zalahy niaraka tamin’ilay lakolosy. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’ity halatra ity.

Araka ny vaovao fantatra dia efa miisa dimy izao ny lakolosim-piangonana lasan’ny mpangalatra tany amin’iny faritra iny. Ho an’ny eny ampita andrefana, Amparafaravola sy ny manodidina, misy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitry ny fiangonana. Amin’ny andavanandro, esorina amin’ny toerana ireo lakolosy. Ny alahady, andro hivavahana, apetraka amin’ny toerana indray izany. Raha ny zavatra niseho tao Ambatondrazaka dia fantatr’ireo mpangalatra ity fepetra noraisina ity satria na dia nafenina aza ilay lakolosy dia tonga ihany ireo jiolahy. Ny fanontaniana manitikitika ny maro amin’izao fotoana izao dia ny hoe : atao inona ireny lakolosy angalarina ireny ? Fanontaniana tsy mbola nahitana valiny izany. Tsy any Antsihanaka ihany mantsy no misy ny halatra efa manerana ny firenena iray manontolo.

Janus/r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici