Tontosa omaly ny fianihanan’ireo pôlisim-bohitra miisa 69 tany amin’iny faritra Ambatondrazaka iny rehefa avy nanaraka fiofanana 15 andro izy ireo. Fiofanana izay nomen’ireo zandary tany an-toerana. Araka ny fantatra dia hiasa eny anivon’ireo kaominina efatra ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka izy ireto, dia Manakambahiny, Bejofo, Andilanatoby, Antsangasanga. Tanjona amin’izao famoahana kartié mobile izao, raha ny fanazavàna avy amin’ireo tompon’andraikitra, ny mba hampihena hatramin’ny 50 isan-jato ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana. Raha ny fantatra dia mbola tari-dalana izao famoahana andiana kartié mobile izao, hanampy isa ireo mpitandro filaminana. Efa misy an-dalam-piofanana kosa any amin’ny distrikan’Amparafaravola sy Tsaratanàna. Natao teo ambany fiahian’ireo tompon’andraikitri-panjakana isan-tokony tany an-toerana moa ity lanonana ity, ary notarihan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandariampirenena, ny Jly Paza Didier.
Nangonin’i r.s.