
Mpitandro ny filaminana iray avy ao amin’ny polisim-pirenena no nindaosin’ny fahafatesana ny marainan’ny 03 janoary tao amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka. Namonjy lanonana tao amin’ny trano fandihizana izy ity ary dia nisy andian’olona namono sy nidaroka ny 31 desambra 2014 teo. Naratra ny lehilahy ary niezaka ny nilefa, kinanjo rehefa tonga tany an-tokantranony dia tsy maintsy nakarina tany amin’ny hopitaly ka izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ary nanambara ny mpitandro ny filaminana fa tsy maintsy hita ny marina. Fa ankoatra ity mpitandro filaminana namoy ny ainy ity, fantatra ihany koa fa olona roa, vehivavy 20 taona sy ny zanany 2 taona no indray maty nentin’ny ranotrambo tao Ampasambazimba, mol any andron’ny 31 desambra ihany izany loza izany. Avy tsy nijanona ny orana tamin’io andro io ary niakatra ny rano. Tamin’ny fotoana nandehana’ireto olona ireto hamonjy fodiana no niseho ny loza. Telo mianaka no niaraka. Avotra soa aman-tsara ilay raim-pianakaviana fa izy mianaka no tsy tan any ainy.
Ankoatra izany, olona 14 kosa no niakatra teny amin’ny tobim-pahasalamana ny alin’ny 31 desambra 2014 vokatry ny aretina samy hafa ary 8 no tsy maintsy notanana teny amin’ny tobim-pahasalamana.
Janus