- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Raikely nanolana ny zana-badiny

Ambatondrazaka : Raikely nanolana ny zana-badiny

Efa imbetsaka ihany no nanampatra ny filan-dratsiny tamin’ity zazavavy ity ilay raikeliny, raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy saingy tsy nety nahazo rariny tamin’ny reniny raha mba nitarainy tany. Izy indray aza no nahazo fandrahonana, raha ny vaovao hatrany.

Ny alarobia lasa teo no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny filaminam-bahoaka, sampana misahana ny zaza tsy ampy, tao Ambatondrazaka ny lehilahy iray. Voarohirohy tamin’ny resaka fanolanana zazavavy iray 16 taona, izay tsy iza fa zana-badiny ity farany. Araka ny fampahafantarana hatrany mantsy dia miara-mipetraka ao an-drenivohitr’Alaotra ao izy telo ireto. Misy fotoana ny tsy maha eo ny renin’ilay zazavavy dia hararaotin-drangahy hanamparana ny filan-dratsiny ity farany, hoy hatrany ny vaovao. Tsy vitan’ny indray mandeha anefa fa efa inefatra no lasibatry ny fanolanana ilay zaza.  « Nitaraina tamin’ny reniny ity farany saingy narovan’io ramatoa io hatrany ity lehilahy ity ary norahonany hogadraina ny zanany vavy fa manala baraka », araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany.

Tonga teny am-pototsofin’ny pôlisy moa ny raharaha ary niditra an-tsehatra avy hatrany ireto farany. Nisy ny fisamborana nataon’izy ireo tamin’io andron’ny alarobia io ary nanaovana famotorana an-drangahy, izay niaiky ny zava-dratsy vitany. Ny zoma lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana Ingahy mpanolana ary tsy nisy indrafo, nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici