- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Raikitra ny rombo noho ny resaka pôlitika, olona enina naratra

Ambatondrazaka : Raikitra ny rombo noho ny resaka pôlitika, olona enina naratra

Ady saritaka nahatsiravina no nifanaovan’ireto fianakaviana  ireto  teo amin’ny resaka politika  noho ny fahasamihafan’ny olona notohanany tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa  teo. Lehilahy  iray no rimbina niala teo amin’ny toerany  ny sofiny, vehivavy  iray tapaka taolan-tratrany, ny sasany voavely tapa-by teo amin’ny ranjony, ny hafa momoka sy maratra mafy avokoa,  fa  ny 6 no tena voa mafy. Lonilony efa nisy teo amin’ny fianakaviana teo aloha izy ity, satria  tao anatin’ny fampielezan-kevitra dia efa nisy ny toratoraka nifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany isak’izay mandalo ny iray,   ka samy efa tsy nifampiteny  fa nifampiambina. Taorian’ny fanambaran’ny vokatra vonjimaika no  nifanena tampoka tamin’ny toerana fisotroana iray ireto mpanohana ny kandidany avy, ka raikitra ny fifandrangitana fa hoe efa nivoaka ny vokatra fa mitarika ny anay,  fa izahay no tokony hampirevy. Tsy nahatanty  iretsy farany ka nifanao taim-bava sy teny maloto, hany ka nifandray mihitsy, nahoraka ny ady sy ny fifamaliana  ka tonga  avokoa ny  mpanohana ny andaniny sy ny ankilany, izay tsy iza fa fianakaviana iray avokoa,  ka raikitra teo ny ady saritaka. Nisy ny niantso  vonjy  sy ny kiakiaka, satria efa niditra ny  vehivavy, anabavin’ny sasany, sy ny zaodahan’ny sasany .Vokany : ireo enina ireo no tena voa mafy ka samy naka fanamarinam-pahasalamana, tany amin’ny mpitsabo fa samy nitsabo ny ankohonany , ary  samy  nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny polisim-pirenena,  fokonolona sahabo any amin’ny 50 olona no tonga tao niaraka tamin’ny Kibota (motoculteur ) 11.  Nanao ny fanadihadiana sy nandamina ny polisy satria mbola saika raikitra ny fifamaliana    ary fantatra fa  misy olobe mpanao politika ambadik’izy roa tonta ireo. Nantsoina ihany koa ny ben ’ny tanana satria efa  niezaka nandamina ny raharaha ity farany. Na dia efa nanao ny asany aza ny  mpitandro ny filaminana nandamina  sy nanao ny fanadihadiana  dia hita fa efa nanomboka resy lahatra ireto  fianakaviana iray ireto ka samy milaza ny hisintona  ny fitoriany avokoa  raha samy nafana fo, sady  efa tonga tao ihany koa ny oloben’ny  tanana sy ny  Tangalamena. Tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana Ambatondrazaka no nisehoan’izany ny faha-28 desambra 2018  teo, ka atahorana ny hitarany raha tsy mandray fepetra haingana ny olobe aty Ambatondrazaka. Nitondra vokatra ratsy  ho an’ny sasany taty Alaotra iny fifidianana farany teo iny, satria tao ny nisara-bady noho ny politika tsy mifanaraka, ny milaza ho tsy mifandevo-maty, mpinamana mifampiavonavona, sy ny maro hafa .

R Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici