Gidragidra teo amin’ny toerana fisotroana iray teo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka no nitatra ka lasa ady saritaka tsy hay notohaina ny faha-12 janoary teo. Tovolahy anisan’ny mpikirakira vato avy any amin’ny faritr’i Toliara iny no nifamaly sy niady tao amin’ity Bar iray ity ,niantso namana ny ankilany ka dia toy ireny tany amin’ny horonan-tsary ireny no niseho, na dia vao tamin’ny 5 ora hariva aza ny andro, ny faha-12 janoary 2016 teo. Raikitra ny toraka tavoahangy sy seza, nisahotaka ny manodidina ary tapaka tanteraka ny lalana mihazo ny garaben’Ambatondrazaka iny. Niantso mpitandro ny filaminana ny tompon’ilay toerana ka nalaky ny nahatongavan’ny zandary sy ny polisy. Rehefa nandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana dia noezahin’ireo olona niady hosintomina ny basin’ny polisy, kinanjo mailo izy ireo, ny olona rahateo nanomboka vory ka tsy maintsy nanao tifi-danitra ny polisy vao nisava sy nilamina ny rehetra .Hatreto dia olona iray no tsy maintsy nampidirina hopitaly, izay vehivavy, ary olona telo no nosamborin’ny polisy. Roa kosa no voatazona teny anivon’ny zandary .
Nandray andraikitra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ka nanao ny fiambenana manodidina ny tanàna ny harivan’io andro io, ka basy poleta avolenta no sarona tamin’ny tovolahy 3 mirahalahy nanodidina ny tamin’ny 1 ora maraina. Araka ny fanazavana dia milaza ho very omby izy telo mirahalahy ireto, nefa mitondra basin’ny mpitandro ny filaminana tsy nahitana taratasy. Na dia manao ezaka goavana aza ny polisy sy ny zandary eto an-toerana dia ho zava-poana ny ezaka raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka. Tokony hofoanana ihany koa ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny vato sarobidy any Didy, satria manjakazaka isaky ny hariva eo amin’ireo toeram-pisotroana ny vahiny isaky ny faritra, indrindra ny avy any atsimo sy avaratra.
Janus R