- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Rakotry ny atsanga ny voly sy ny ranon’Alaotra

Ambatondrazaka : Rakotry ny atsanga ny voly sy ny ranon’Alaotra

Simba tanteraka ny voly vary sy tongolo  vokatry ny firotsahan’ny bedana (vovotany malemy)  hentin’ny riaka  ka mivarina eny an-tanimbary  sy ny rano .Nirongatra izay tsy izy ny dorotanety taty Alaotra ,ka nokaohin’ny riaka ireo tendrombohitra,dia io lasa mandrakotra ny voly io .Ahiana ny hampihena ny vokatrra aty Alaotra raha malaza mpamboly vary sy tongolo ny ao amin’ny kaominina Ambatosoratra .Manomboka mihena ihany koa ny halalin’ny ranon’Alaotra tototry ny bedana malemy ,raha nahatratra 10m ka hatramin’ny 15 metatra ny halalin’ny ranon’Alaotra rehefa fahavaratra  teo aloha dia zara raha 3 metatra ny lalina indrindra amin’izao fotoana izao ,ka tsy ahitana raha 1 metatra izany ny main-tany ,mitombo anefa ny velarany rehefa fahavaratra ka mahatonga ny todradrano amin’ny tanàna manodidina. Mihena arak’izany ny vokatra hazandrano amin’io farihin’Alaotra io, satria raha nahatratra 3 200 Taonina izany talohan’ny taona 2005  dia nihena ho 600 taonina tamin’ny 2013 teo  ahiana ny tsy ahitana intsony ny besisika sy ny baraoa

Nidina ifotony amin’ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fambolenkazo ny tao amin’ny Dureil Ambatondrazaka  ny 07 febroary 2014 teo, izay notarihan’ny teknisiana Bary Jean Rasolonjatovo ,voly hazo mahatratra  2400 fototra no notanterahana niaraka tamin’ny VOI ao Angoja ,resy lahatra ny rehetra fa ny fambolenkazo ihany no, vahaolana mba tsy hikaohan’ny rano ny nofontany ,manentana ny rehetra izy ireo ny mba samy hiaro hatrany ny tontolo iainana.

Janus R.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser