- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Rangahy iray maty vokatry ny fanafihan-jiolahy

Ambatondrazaka : Rangahy iray maty vokatry ny fanafihan-jiolahy

Tao Manakambahiny   eo anelanelan’ i Vodihiala sy Ambatondrazaka  PK 254 (RN44), roa ireo jiolahy nanafika no sady nanana basy izy ireo. Ny  alin’ ny talata 04 febroary tokony tamin’ ny sivy ora alina tany ho any  no nidiran-dry zareo tao antin’ ity tokantrano iray . Avy hatrany dia nanambana izy ireo ka nampihorohoro  ny tao an-trano ;mpiompy vorona  moa ilay rangahy voatafika.

Lasan’ ireto olon-dratsy tamin’ izany ny gana  dimam-polo , tsy nanaiky lembenana anefa ilay tokan-trano ka niantso ny zandarimariam-pirenena akaiky azy indrindra ;tonga ara-potoana tokoa ireto manam-pahefana  . Novantanin’ izy ireo tamin’ izany moa ilay rangahy efa naratra be tokoa satria notsondromin’ ireo ,mpanafika tamin’ ny vy ny fitombenany ary nivoaka tety amin’ ny feny ; lalina sy rovitra be tokoa ilay fery ka nizara ny olona tao an-tanana ka nisy ny nitondra ny marary nankeny amin’ ny hopitaly ,ary ny sasany kosa nanampy ny zandary  nanenjika ireto mpanafika.

Vokatry ny fifanomezan-tanana izay dia tratra ny iray tamin’ ireo olon-dratsy , ny namany iray kosa tafa poritska. Ny nampalahelo  moa dia tsy tana  ny ain’ ilay voaroba noho ny fahaverezan-drà be loatra   teny an-dalana nankeny amin’ ny hopitaly . Tafaverina soa aman-tsara tamin’ ny tompony moa ireo vorona ireo .

Raha ny vaovao farany voarainay moa dia eo ampanaovana fanadihadiana  sy ny famotorana ny manam-pahefana any an-toerana, ka  hitadiavana ilay jiolahy iray izay niara-nanatontosa ilay fanafihana tamin’ ilay tratra .

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser