- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Rangahy nanolana ny zanaky ny mpiray vodirindrina aminy

Ambatondrazaka : Rangahy nanolana ny zanaky ny mpiray vodirindrina aminy

Lehilahy iray 50 taona no voatery nosamborin’ny zandary, noho ny resaka fanolanana nahavoarohirohy azy, tao Antanifotsy Ambatondrazaka, ny talata lasa teo. Zazavavikely vao enin-taona monja no lasibatra teo, zanaky ny mpifanila trano taminy ihany.

Anti-môla tsy manjary ! Tsy maintsy « hampiharina amin’i Dadan’i Bam ny lalàna velona », hoy ny avy eo anivon’ny zandary. Tsy nisalasala tokoa mantsy ilay ankizivavy kely, izay simba tanteraka, nanondro ity lahiantitra ity ho nahavita nanampatra ny filan-dratsy taminy. Saingy na izany aza anefa, hoy hatrany ny eo anivon’ireo mpanao famotorana dia mbola matahotahotra ihany izy, hilaza mazava izay tena nihatra taminy, noho ny fandrahonana ho faty nataon’ity lehilahy ity tamin’ilay zaza. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa dia voalaza fa nanararaotra ny tsy nahateo ny ray aman-drenin’ity ankizivavy kely vao enintaona monja ity ingahy, izay fantatry ny rehetra amin’ny petak’anarana hoe « Dadan’i Bam », raha ny voalazan’ny zandary, nanao izay nataony sy nampihatra ny mahabiby azy tamin’ilay zaza, izay heverina fa nantsoina moramora ho ao aminy. Amin’ny toe-javatra tahaka itony tokoa mantsy dia mazàna tsy lavitra an’ilay olona lasibatra ny olona nahavanon-doza. Efa mipetraka mantsy ilay olona atokisana io ka tsy misy ahatahorana kanjo dia izao nivadika biby izao. Tamin’ity tranga ity dia ny rà nikoriana amin’ilay zaza no nanaitra ilay reniny ka nitondràny azy avy hatrany tany amin’ny mpitsabo sy nametrahana fitarainana teny anivon’ny zandary. Nosamborina avy hatrany ity rangahy ity ary natao andrimaso sy famotorana eny anivon’ny biraon’ny zandary. Marihana fa sazy faran’izay henjana tokoa no miandry ireo mpanolan-jaza araka ny raiketin’ny lalàna velona eto amintsika. « Mety mampigadra na fanaovana asan-terivozona mandrapahafaty » izany, hoy ny eo anivon’ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici