- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Rangahy nikapa tamin’ny antsibe ny zanany telo, matin’ny fokonolona

Ambatondrazaka : Rangahy nikapa tamin’ny antsibe ny zanany telo, matin’ny fokonolona

Zazakely vao roa volana monja ny zandriny indrindra, telo taona ny iray ary fito taona ny zokiny, ireo no indray namoy ny ainy, novonoin’ilay rainy niteraka ihany tamin’ny fomba mahatsiravina tokoa. Tsy ela anefa dia nivaly taminy ny zavatra nataony, satria maty novonoin’ny fokonolona ity ray adala ity. Tany amin’ny fokontany Ambohibe, ao amin’ny kaominina Didy, Ambatondrazaka no nisehoan’ity tranga ity, ny alakamisy teo.

Izany tokoa angaha ny hoe izy mivady no miady ka ny ankizy no voatorotoro. Ara-bakiteny io tany Didy, saingy tsy voatorotoro fotsiny, fa dia tena voakapakapa tamin’ny antsibe tokoa. Izany ka tena habibiana tsy roa aman-tany  vitan’ity ray niteraka tamin’ireto ankizy. Araka ny filazam-baovao avy amin’ny zandary, dia nisy fifamaliana teo amina mpivady iray tao Ambohibe. Tsy fantatra mazava anefa izay niseho tao amin’io tokantrano io. Nikasi-tànana rangahy sa efa tsy lefitr’ilay ramatoa intsony ka dia nitsoaka nandositra ity farany. Tezitra tanteraka noho io fihetsika nasehon-dramatoa io ny lahy ka tany amin’iretsy zanany, tsy manan-tsiny no nifaharany. Noraisiny mantsy ny antsibe ary dia nokapakapainy tamin’ity zava-maranitra ity avokoa ireto sombin’ny ainy. Hiakiakam-pijalian’ireo zaza no nanaitra ny manodidina ka nitsofohan’izy ireo tao an-trano. Efa rà mandriaka ary zaza telo efa tsy nisy aina intsony anefa no novantanin’ireto fokonolona. Niezaka ny hifehy ity ray adala ity ireo olona manodidina. Vao mainka anefa nampiakatra ny hatezeran-dralehilahy izany ka ireto fokonolona indray no handeha hasiany amin’ilay antsibe teny an-tànany. Voatery nandray fepetra ireto olona ireto nifehy tanteraka azy, ary ny maty ihany no tsy afa-mamaly intsony. Teo ny fiarovan-tenan’ireo mponina, teo ihany koa anefa ny hatezerana tamin’ireto zaza tsy manan-tsiny namoy ny ainy, ka dia notaperin’izy ireo ny ain’ity raim-pianakaviana tsy mifaditrovana ity. Ity farany tokoa, raha ny feo re, araka ny tatitr’ireo zandary hatrany, dia hoe tsy  salama saina loatra. Raha olona salama saina tokoa ve moa hahavita handatsan-drà ireo menaky ny ainy, noho izay resaka ady nifanaovan’izy mivady ? Efa eny am-pelatanan’ireo zandary ao Didy moa ity raharaha ity, raha ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici