- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Saika nodoroin’ny vahoaka ilay mpangalatra môtô

Ambatondrazaka : Saika nodoroin’ny vahoaka ilay mpangalatra môtô

Raha tsy nalaky tonga ny polisy, dia asa izay nahazo ity mpangalatra moto gaigilahy tratran’ny vahoaka ity. Nananosarotra ihany koa ny fitondrana ity jiolahy ity teo amin’ny tokotanin’ny banky madinika iray.Ireo vahoaka anefa efa sosotra sy vonona ny hanao fitsaram-bahoaka .Tao anatin’ny fanadinana BEPC farany teo iny no nangalaran’ity jiolahy ity ilay môtô, izay andro antoandro tamin’ny 1 ora any ho any.Tadidin’ilay olona ilay nanendaka azy, ka nahatonga izao fanenjehana sy fisamborana izao, raha iny  nandehandeha harivariva iny  ilay mpangalatra. Mirongatra izay tsy izy mantsy ny halatra moto amin’izao fotoana izao, ka ao ny tsy hita mihitsy. Ao ny efa lasa  namidy antsinjarany. Mandray andraikitra ny mpitandro  filaminana amin’izao fotoana izao hampandriana fahalemana ny raharaha.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser