- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Saika norotahan’ny vahoaka ny fitsarana noho ny resaka fitsaram-bahoaka

Ambatondrazaka : Saika norotahan’ny vahoaka ny fitsarana noho ny resaka fitsaram-bahoaka

Vahoaka an’arivony no nirohotra niakatra tao amin’ny  fitsarana ambaratonga voalohany teto amin’ny renivohitra Ambatondrazaka,izay nitondra sainam-pirenena ,nihorakoraka sy nitabataba fa tsy maintsy  avoaka ny sefo fokontanin’izy ireo. Araka ny fanazavana dia vahoaka avy any amin’ny fokon tany Mangalaza Ambatondrazaka ireto niakatra ireto, noho ny fitazonana ny lehiben’ny fokon tany  sy ny vaomieran’ny fandriampahalemana ary lehilahy iray tompon’ny vorona nangalarina . Ny volana febroary lasa teo mantsy dia nisy halatra gisa tao  amin’ity fokontany Mangalaza ity ,nenjehin’ny fokonolona io mpangala- gisa io, ary tratra, dia natao fitsaram-bahoaka ka maty.  Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny havan’ny maty ka olona 4 no voarohirohy , ary nentina niakatra ny fampanoavana ny harivan’ny faha-21 marsa 2017 teo tokony tamin’ny 3 ora folakandro. Nanomboka nisafoaka ireto vahoaka ireto teny amin’ny tokotan’ny fitsarana. Nitombo ihany koa ny olona, nihamafy ny horakoraka sy ny tabataba, hoe « avoahay ny sefo fokon taninay ». Mpitandro ny filaminana marobe avy amin’ny zandary sy ny polisy no niatrana teny anivon’ny fitsarana ary efa vonona handray andraikitra. Nilamina tampoka anefa ny raharaha, noho ny fivoahan’ireto olona efatra voarohiroy ireto.  Araka ny fanazavan’ny fampanoavana dia tsy maintsy natao ny fanadihadiana mahakasika ireo voarohirohy ary nalefa nody izy  ireo miandry ny fitsarana azy . Soa ihany fa tony sy nahay niresaka tamin’ny vahoaka ny tao amin’ny fitsarana, fa raha tsy izany dia mety ho zavatra hafa no nitranga.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici