- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Saika raikitra ny sakoroka teo amin’ny kaominina sy ny mpivarotra

Ambatondrazaka : Saika raikitra ny sakoroka teo amin’ny kaominina sy ny mpivarotra

Tonga marobe teny anivon’ny kaominina ambonivohitra  Ambatondrazaka ny mpivarotra taorian’ny fivoriana natao ho tsy fankatoavan’izy ireo ny hetra niakatra sy ny haban’ny trano nataon’ny ben’ny tanàna. Efa niteraka tsy filaminana teo anivon’ny tsena izany ary efa nisy ny trakta  niparitaka eraky ny tanàna . Tonga teny an-toerana  ny ben’ny tanànan’Ambatondrazaka  sy ny prefét ary ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro. Tao anatin’ny  fandraisana fitenenana  nataon’ny prefen’Ambatondrazaka  izay nilazana fa « tsy manara-dalàna izao ataonareo  izao fa efa ireo ny mpitandro ny filaminana handray fepetra  ,anefa tsy hataoko izany noho ny fitiavako anareo »  dia nanangam-peo ny  mpivarotra  sy nitabataba ary nilaza  fa  aza atao herim-pamoretana ny mpitandro ny filaminana, niakatra ny hafanana satria kotaba sy horakoraka no natao ity solotenam-panjakana ity ary saiky niafara tamin’ny korontana, nilamina ihany anefa izany taty aoriana noho ny fandaminana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny zandary. Raha jerena ny fandehan-javatra dia ny fampiakaran’ny kaominina ny hofan’ny trano fivarotana na ny « pavillon » eo  amin’ny tsena no olana , satria raha enina arivo  ariary ny an’ny sasany teo aloha dia lasa niakatra telo alina ariary ankehitriny. Niteraka olana izany ka nahatonga ny fitokonan’ny mpivarotra amin’izao fotoana izao. Niravina ihany izany satria nifanantona ny rehetra ny tolakandron’ny ny faha 18 May 2016 raha ny maraina no saika hisian’ny korontana. Handrasana izany ny ho tohiny.

 Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici