Olona 3 no efa voasambotra amin’izao fotoana izao ary efa nampidirina amponja vonjimaika avokoa, ary dia tsy tontosa ilay sorona saika hatao satria saron’ny teny anivon’ny zandarimaria ilay lehilahy nitondra ilay filahiana sy ilay rà nandositra. Raha tsiahivina dia fakana filahiana sy ràn-jaza tany Tanambao be sakay no niandohan’ny raharaha. Maty ilay zandriny 4 taona izay nalaina rà fa ilay zokiny 16 taona kosa velona soamantsara fa ny fitaovam-pananahany iray manontolo no nalana teo amin’ny toerany. Nanao ezaka goavana ny zandary noho ny fahatahoran’ny vahoaka sy ny fielezana tsaho ny mbola hitohizan’izao habibiana mahatsiravina izao, ka fantatra fa hita avokoa ny tena tompon’antoka. Nafenina tao anaty poketra ilay filahiana rehefa avy nangalarina ,ka ny loharanom-baovao no nahenoana fa saika hatao ny tsinam-bolana ny sorona. Noho ny hezaky ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’Ambatondrazaka sy ny fokonolona anefa dia sarona tao Andaingo Gare ireo entana saika hanaovana sorona ireo, miaraka amin’ilay tovolahy iray nitondra azy. Araka ny loharanom-baovao ihany koa dia mbola misy namana mpiray tsikombakomba amin’izy ireto any ho any fa sarotra ny fanaovana fanadihadiana amin’ilay nahazoana ilay filahiana, noho izy mody manao be tsy miteny sy somary manao adaladala . Hentitra ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao eo amin ‘ny tontolon’ny tsy fandriampahalemana ka miantso ny vahoaka mba hiara-miasa aminy hamongorana ny ratsy. Isaoran’izy ireo ny vahoaka ao Andaingo tamin’ny fiaraha-miasa.
Janus R