Entam-barotra maro tao amin’ny trano fitehirizana no najifan’ireo jiolahy avokoa ny faha 12 oktobra 2016 teo tokony tamin’ny 2 ora sy sasany maraina ; toy ny bateriana fiara ny “panneau solaire”, moto sns. Ao anatin’ny fahatapahan’ny jiro no manao ny asa ratsiny ireto jiolahy ireto, ka tsy mifidy toerana asiana ary betsaka ny trano fivarotana no vaky. Nandray andraikitra ny teo anivon’ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny fahazaoana vaovao avy amin’ny olon-tsotra sy ny fisamborana ny mpiambina ireo tsena, ka olona dimy no tratra, ny efatra dia ireo mpiray tsikombakomba amin’ny famakiana trano ary ny vehivavy iray dia mpandray ireo entana halatra. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon ‘ny mpitandro ny filaminana no nilazan’ireo efadahy mpangalatra fa ity ramatoa iray ity no mpandray ny entana rehefa avy mangalatra izy ireo. Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana ato amin’ny tananan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao, toa ny fanendahana sy ny halatra ka nanaovan’ny kaomisera divisionera Ramilison Celestin ny hisian’ny fiaraha-miasa matotra amin’ireo vahoaka mba hamoanana ny ratsy. Hentitra rahateo ny fisavana sy ny fidinana ifotony ataon’ny polisy amin’izao fotoana izao. Natolotra ny fampanoavana ireo dimy voasambotra, ka anisan’izany ny mpiambina ilay tsena vaky.
Janus R.