- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Sarona ny menaka rongony 20 litatra

Ambatondrazaka : Sarona ny menaka rongony 20 litatra

Tao anatin’ny vela-pandriky ny polisim-pirenena ireto andian’olona mpivarotra menaka rongony ka sarona avokoa izy ireo. Menaka rongony 20 litatra no heno fa haparitaka eto Ambatondrazaka. Tao anatin’ny 5 andro no nitsongoana dia ireo olona ireo, asa nataon’ny polisy Randrianambinina  Honorat (Rakom ). Saron’izy ireo tamin’izany ny menaka rongony 10 litatra mahery  ka vehivavy no atidoha manaparitaka azy eto Ambatondrazaka. Nisy ny voasambotra, nisy ny mbola tafaporitsaka  sy nanafina ny ambina menaka hatramin’ny 10 liitatra. Niezaka nisambotra izany ry Rakom sy ny namany, kinanjo efa narian’ireo mpivarotra tao anatin’ny rano mandeha ilay 10 litatra  ambiny. Olona 7 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity amin’izao fotoana izao, misy ny vehivavy ary misy ny lehilahy. Araka ny fantatra dia niainga avy any Mananara, nihazo an’i Toamasina, dia izao tonga eto Ambatondrazaka izao ireto menaka rongony ireto.

Haizina. Andro vitsivitsy izay no niaina tao anatin’ny haizina ny tananan’Ambatondrazaka noho ny fahasimban’ny fitaovana mitondra ny herinaratry ny jirama  eto an-tanàna, hany ka mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana. Nanambara ny kaomiseran’ny polisy Ambatondrazaka fa tsy hitsitsy mihitsy izy ireo amin’ny tsy fandriampahalemana, izay mitady hanjaka eto Ambatondrazaka,  ary hanara-maso ireo vahiny miditra sy mivoaka eto an-tanàna.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser