Tovolahy erotrerony manodidina ny 25 taona, no sarona nangalatra zazavavy kely 4 taona; izay tsy lavitry ny trano fonenany. Notambazany galety maromaro ilay zaza sady nantsoiny ka nentiny nilefa tamin’ny taxi-moto, kinanjo rehefa lasa lavitra dia lany solika ilay moto ka teo no nahasaronana ity mpangala-jaza ity .Raha ny harivan’ny 2 aogositra 2016 tamin’ny 4ora no tsy hita ilay zaza, dia tany amin’ny 7 ora hariva tany ho any vao saron’ny polisy ilay mpangalatra .Tsy nety nilaza ny marina ilay mpangalatra raha nanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana. Araka ny loharanom-baovao, dia misy toerana fitrandrahana vato mitady sorona indray any ho any ary mitady zazavavy maitsomaitso. Araka ny nambaran’ilay mpangalatra, dia efa hitany tany amin’ny toerana fangadiana vato ny reniben’ity zaza ity ka fantapatany. Hentitra ny kaomisera divizionera Atoa Ramilison Celestin, fa tsy maintsy faizina araka ny làlana manan-kery ity mpangala-jaza ity. Fantatra moa fa ity lehiben’ny polisy vaovao ity indray no hifehy ny polisy ato anatin’ny faritra Alaotra Mangoro; izay nahita vokatra tsara sahady amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna.
Janus R