- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Sefo fokontany sy ny fianakaviany nodorana velona tao an-tranony

Ambatondrazaka : Sefo fokontany sy ny fianakaviany nodorana velona tao an-tranony

Nofantsihan’ny dahalo avokoa ny varavarana sy ny varavarankelin’ity trano ; izay tafo bozaka an’ny sefo fokotany ao Bejofo Ambatondrazaka ity, ny 26 aogositra 2015 teo tokony tamin’ny 11 ora alina. Rehefa vita izany, dia norarahany lasantsy ny tafo sy ny trano iray manontolo  ka dia nodorany tao izy mianakavy ,na dia nitady làlana nivoaka sy niantsovonjy ity sefo fokotany ity dia mafy ilay tohana avy any ivelany ka dia niaritra ny afo mahamay tao. Soa ihany fa ny varavarankely tao amin’ny lakozia no nodakany mafy dia mafy dia tafasokatra ihany, ka teo izy 4 mianaka no nanararaotra haingana nilomay nilefa ity afo izay efa manomboka milatsaka tamin’izy ireo. Aavotra ihany ny ain’izy ireo, fa ny entana an-tapitrisany maro no lasa lavenona tao anatin’indray mipi- maso. Raha tao amin’ny lakozia moa no nisy ny akoho amam-borona, dia may rotidrotika avokoa ireo vorona ireo ,vary manodidina ny 1taonina sy sasany  ihany koa no kilan’ny afo ,ny taratasy maro sy ny karapanondro. Manao antso ho an’ny fanjakana moa ity sefo fokotany ity, ny amin’ny hijerena izao habibiana izao, satria hatramin’ny taratasim-panjakana dia may tao avokoa .Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny nanaovan’ny sasany izao sotasota izao, fa ny kisoa sy ny omby teo ivelan’ny trano dia tsy nisy nalain’ireo jiolahy. Araka ny fitantaran’ny manodidina moa, dia   telolahy teo no heno nandositra rehefa nanatona ny fokonolona ary mbola nahitana lasantsy 2 zerikanina kely tratra teo amin’ny manodidina. Resaka politika ve sa resaka tsy fitiavana hoy ny vahoaka ? Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici