Nanomboka ny faha 22 aogositra 2014 teo no tapaka ao anatin’ny adiny 10 isan’andro ny jiro eto amin’ny tanànan’Ambatondrazaka. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny JIRAMA dia ny tsy fisian’ny solika tonga hampandehanana izany milina izany no olana, satria zara raha ny antsasaky ny solika tokony hampihodinana ny orinasa no tonga. Nanambara izy ireo fa hatramin’ny faran’ny volana aogositra 2014 izao, raha mbola tsy misy ny vahaolana, dia mbola hitohy maharitra izao fahatapan’ny jiro izao.
Miakatra ny vidin’ny varifotsy. Adiny 3 isan’andro ihany no mahazo mitoto vary ireo ozinina vaventy noho ny fepetra tsy maintsy napetraky ny JIRAMA, hany ka lasa ifandrombahana ny mitoto vary. Niakatra vetivety teo ny vidin’ny vary eo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka sy ny manodidina amin’izao fotoana izao, ka raha 250Ar ny kapoaka talohan’ny jiro mbola tsy tapaka dia efa mananika ny 300Ar izy amin’izao fotoana izao. Miakatra ambony noho io aza ny alahady, ankoatra ireo kojakoja madinidinika ilain’ny mponina. Manao antso amin’ny rehetra ny vahoaka mba tokony hijerena izao fahatapahana izao, satria betsaka ireo tsy afaka miasa, hatramin’ny mpiasam-mpanjakana aza lasa mikolavaka. Raha manomboka amin’ny 4 ora maraina no tapaka ny jiro dia tsy miverina izany raha tsy any amin’ny 2 ora hariva any ho any.
Janus R