- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Tapaka ny tetezana , tsy nisy niasa ny mpitatitra ,...

Ambatondrazaka : Tapaka ny tetezana , tsy nisy niasa ny mpitatitra , ahiana ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano

Nitoka-monina  tanteraka ny tananan’Ambatondrazaka tao anatin’ny roa andro , noho ny fitokonana fanairana nataon’ny taksiborosy , ny fahatapahan’ny tetezana  lehibe ao Sahabe sy ny faharatsian’ny lalana  miditra sy mivoaka an’Ambatondrazaka .Vao mangiran-dratsin’ny Alatsinainy 16 febroary 2015 dia nisy nanongotra ny takelaby mandrafitra ny tetezana lehibe ao Sahabe Bejofo ,foana tanteraka ny takelaka efatra ka nikatso  ny fifamoivoizana mankany Ampitandrefana. Nikatso tao ny fiara vaventy mpitatitra solika ho an’ny orinasa Jirama ,ny fiara vaventy mpitatitra kraoma sy ireo fiara mpitatitra olona avy any  Ampitandrefana  .Tsy nisy nandeha avokoa ireo mpitatitra mampitohy an’Ambatondrazaka  sy Toamasina ary Antananarivo  na dia maro aza ireo olona hihazo io toerana io noho ny fitokonana. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama, dia   ho tapaka tanteraka ny jiro sy ny rano eto amin’ny tananan’Ambatondrazaka, raha tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy io tetezana ao Sahabe io ,ka nentanina ny vahoaka ny samy hanangona rano daholo.Tsy fantatra na fifanandrifian-javatra na efa nomanina ny  tsy fiasan’ireo mpitatitra sy ny fanendahana ny takelaby amin’ny tetezana ao Sahabe,   fa dia nifanojo andro iray ireo  ka natahotra sy samy nanangona rano  ny vahoaka. Araka ny nambaran’ny tekinisiana ao amin’ny asa vaventy mantsy, dia niniana nendahina mihitsy ireo takelaby ireo mba tsy hahafahan’ny fiara mifamezivezy  ary tsy latsaka ny olona 10 farafahakeliny izay vao mahabata ny takelaka iray. Araka ny nambaran’ny mpitatitra iray   dia anisan’ny olana ny fiasan’ireo fiara vaventy izay mitatitra kraoma ireo, izay sady manimba lalana no tsy manaja ny vesatra amin’ny fifamoivoizana   ka ny fiara mpitatitra olona no lasibatra amin’ny fahasimbana, nanambara ny hitohizan’ izao fitokonana izao izy ireo raha tsy misy fandraisana fanapahankevitra ataon’ny fanjakana. Nandray andraikitra  avy hatrany ny tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro niaraka tamin’ny asa vaventy tamin’ny fanamboarana ny tetezana tao Sahabe,  ka ny talata maraina vao vita izany ary nezahana ny hamatsiana solika ny orinasa Jirama mba tsy hisian’ny fahamaizinan’ny tanana  sy ny fahatapahan’ny rano  ka voaenjika ara-potoana avokoa izany, fa ny lalana kosa  dia mbola  manahirana ny vahoaka hatrany hatramin’izao.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser