- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Taxi-brousse voatafika, nisy olona very vola 20 tapitrisa Ar

Ambatondrazaka : Taxi-brousse voatafika, nisy olona very vola 20 tapitrisa Ar

Ny alatsianiny 8 aogositra maraina be tokony ho tany amin’ny 3 ora tany, nosakanan’ny jiolahy ny fiara Sprinter iray, taxi-brousse avy aty Andrenivohitra ho any Ambatondrazaka. Vokany, voavely sabatra ny mpamily, lasan’ireo mpanakan-dalana avokoa ny vola rehetra tany amin’ny mpandeha ary nisy aza roa vavy nitaraina fa very hatrany amin’ny 20 tapitrisa Ar. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Lalandratsy, 10 km alohan’ny hidirana an’Ambatondrazaka no niseho ny fanakanana. Nasian’ireo jiolahy vatobe ny lalana ka tsy maintsy nijanona ilay fiara. Rehefa izany, nambanan’izy ireo basy sy sabatra ny mpamily tsy hihetsika ary voalaza fa nokapohan-ireto olon-dratsy tamin’ny sabatra mihitsy. Voa teo amin’ny tanany sy ny tongony izy ary naratra, hoy ny vaovao. Taorian’izany, nasain’ireo mpanendaka namoaka ny vola tany aminy avokoa ireo mpandeha rehetra. Tsy nisy afaka nandà ary tamin’izany no nahafantarana, fa nitaraina ireo vehivavy roa ho very volabe.

4X4 voasakana. Tamin’izany fotoana izany, nisy fiara 4X4 nandalo teo amin’ilay toerana. Avy hatrany dia nosakanan’ireo bandy ihany koa ilay izy. Na dia ratsy aza anefa ny lalana, dia tafahoatra ireo vatobe ilay fiara tsy mataho-dalana. Tonga dia nampilaza tany amin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Mailo araka izany ireo mpanakan-dalana ka avy hatrany dia niala ny toerana. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana avy ao Ambatondrazaka.

Janus/r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici