- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Taxi nifandona tamin’ny môtô, olona roa naratra mafy

Ambatondrazaka : Taxi nifandona tamin’ny môtô, olona roa naratra mafy

Ny voalohan’ny volana janoary 2017 tokony tany amin’ny 3 ora hariva tany ho any  no nisehoan’ny loza mahatsiravina teto  Ambohimasina Ambatondrazaka  ,fiarakaretsaka iray no nifandona tamin’ny moto  iray ka   ilay olona roa nitaingina ilay moto no naratra mafy ka tsimaintsy nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana izay efa  tsy hatahorana ny ainy amin’izao fotoana izao, potika tsy nisy azo noraisina ilay moto ,fa ilay fiara kosa dia rotika ny teo anoloana. Araka ny fanazavan’ireo nahita dia samy  nandeha  mafy izy ireo  ary teo amin’ny làlana mahitsy teo amin’ny fokotany Ambohimasina, tsy lavitra teo ihany koa fa fiaran’olontsotra  saika handeha hitsangatsangana no avy hatrany dia nivarina tao anaty  hady manoloanan’ny fiantsonan’ny fiarakodia  Ambalabako ,izay tsy nisy ny naratra  .Nilamina tanteraka ny fankalazana ny noely sy ny fitsenana ny taona vaovao teto amin’ny renivohitry, fa fianakaviana iray no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ary efa eny amin’ny tobim-pahasalamana izy ireo izay tsy misy hatahorana intsony . Fa ny teo amin’ny lanonana faran’ny taona kosa dia  anisan’ny nampalahelo ny vahoaka ny tsy nanaovan’ny teny anivon’ny faritra « bal populaire «  intsony na dia maro aza ny vahoaka tonga teo amin’ny toerana malalaka teo amin’ny Jovenah  izay fanaovana lanonana

Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici