Zaza amam-behivavy ireo namoy ny ainy. Ny iray zazalahy ary ny roa ambiny vehivavy. Izany no loza nateraky ny tsy fisian’ny fandrindràna tamin’ny famohana ny vavahady hivoahan’ny olona avy nijery ny fampisehoana nataon’ny Tarika Jean Aimé, sy Elidiot tao Ambatondrazaka. Tao amin’ny toerana antsoina hoe Espace Laza no nitranga ny loza raha araka ny fanampim-baovao azo, ny alatsinainy teo. Nizotra tamim-pilaminana ny fampisehoana ary tafiditra ny olona nanana tapakila. Rehefa hivoaka kosa no nifanitsa-kitro ireo, ary dia niteraka fahafatesan’olona izany. Mbola nisy am-polony koa aza naratra mafy ka ny valo tamin’ireo no tena voa mafy. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana aza dia mbola miady mafy aman’aina izy ireo any amin’ny hopitaly. Hafa kely ny zava-nitranga, satria raha ny hita matetika dia eo amin’ny fidirana no misisika ny olona rehefa tsy mirindra ny fandaminana avy amin’ny mpikarakara. Ity indray dia teo amin’ny fivoahana. Ny fanazavan’ny olona dia noho ny fahataranateo amin’ny famohana ny vavahady no heverina fa nitarika ny olona hisisika. Etsy ankilan’izay, efa fantatra fa feno hatrany ny toerana rehefa i Jean Aimé no manafàna ao Alaotra. Amin’ny manaraka izany dia mila mba mandray ny fepetra mifanandrify amin’izay fahabetsahan’ny olona izay ny tompon’andraikitra mba tsy hiverenan’ny fahafatesana sy faharatràna mafy toy izay nitranga ny alatsinainy teo ity. Tsy afa-miala ny mpikarakara rehefa misy ny olana mifandraika amin’izany, indrindra koa raha sendra tsy naka fiantohana (assurance) tany amin’ny fanatontosana ny taratasy momba ny fampisehoana.
D.R