Nisintona ny fitarainany teny anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny tany amin’ny minisiteran’ny mponina, ny sekoly iray nanenjika ireto ankizilahy izay manana fikambanana hafahafa ireto. Nentina niverina tao amin’ny minisiteran’ny Mponina izy ireo ary dia nandeha ny vavaka sy ny anatra ary ny fametrahan-tànana, ny tsy hisian’ny fivilian-dàlana intsony. Niaiky ireo tanora 3 mirahalahy ireto, fa lalan-diso no nalehany, ka tsy hanao intsony. Nanaiky ihany koa izy ireo ny hanadio ireo rindrina sy toerana nasian’izy ireo na sary mampatahotra sy ny hazo fijaliana na zavatra hafa. Ny tarehimarika 666 sy ny hazofijaliana ary ny sary hafa eny amin’ny tenan’izy ireo aloha dia tsy ho afaka mandrakizay mihitsy, satria karazany nodidina ny vatan’izy ireo nanaovana ny fatidrà. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia ny fanakorontanana ny mpiara-monina sy ny sekoly no anton’ny fitarainana, fa tsy nisy mihitsy ny hoe manana finoana amin’ny satana ka henjehina. Samy nandray andraikitra ny rehetra amin’ny fananarana ny zanany, misy ihany koa ny nanolotena ny hitondra fanompoam-pivavahana amin’ireny toerana betsaka mpianatra sy ny eny an-tsena ireny. Janus R
Articles qui pourraient vous intéresser