Manodidina ny 15 tany ho any, miandahy miambavy, ireo olon-dratsy nanafika ity teratany karàna ity, raha ny fanazavana azo tamn’ny mpitandro filaminana tany an-toerana, “ araka ny fitarainana nataon’izy ireo”. Vola manodidina ny 10 tapitrisa ariary no very. Naratra teo amin’ny lohany kosa ity vahiny ity ary efa nentina nihazo tobim-pahasalamana.
Tokony ho tany amin’ny misasakalina tany ho any no nitranga izany fanafihana izany raha ny vaovao azo avy an-toerana hatrany, tao amin’ny fokontany Avaradrova, Ambatondrazaka. Marihina fa mipetra-drery io karàna io ary resaka vato sarobidy no ataony any an-toerana. Notongavan’ireo olon-dratsy tao aminy ity farany, rehefa avy nanao amboletra niditra ny trano izy ireo. Noteren’ireo mpanafika hanome ny vola rehetra tao aminy ny tompon-trano tamin’ny alalan’ny fandrahonana sy ny daroka. Voa mafy teo amin’ny lohany moa ity farany. Rehefa azon’ireo mpanafika ny vola dia nitsoaka toy ny tsy teo izy rehetra. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ilay voatafika na dia teo aza ny ratra nahazo azy. Namany teo akaiky teo ihany moa izany niantsoany vonjy izany ary ity farany no nampandre avy hatrany ny zandary sy nitondra azy tany amin’ny tobim-pahasalamana. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy, raha ny voalazan’ny zandary. “Mbola tsy nisy aloha hatreto ny voasambotra saingy ao anatin’ny famotorana tanteraka izahay”, hoy ny zandary.
m.L





