- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Trano fandraisam-bahiny roa notafihan’ny jiolahy nitondra « kalach »

Ambatondrazaka : Trano fandraisam-bahiny roa notafihan’ny jiolahy nitondra « kalach »

Trano fandraisam-bahiny roa teto an-drenivohitr’Ambatondrazaka no notafihan’ireo jiolahy ampolony ny sabotsy  11 Marsa  2017 teo  tokony tamin’ny 11 ora alina tany ho any . Mizara ho  trano roa lehibe  ity fandraisam-bahiny be mpitsidika  ity ,ka ny iray aloha no notafihany ka nentin’ireo jiolahy  niaraka taminy ny tompon’andraikitra tao izay  nidina tany amin’ny trano faharoa  izay somary mifanalavitra .Novelesiny tamin’ny famaky ny lohan’ny tompotrano vavy ka naratra mafy  ary tamin’ny baramina kosa ny lahy ka tapaka ny tanany .Niditra tao an-trano ireo jiolahy naka ny volabe manodidina ny 2 tapitrisa  ariary miampy finday lafo vidy sy ny lamba sarobidy .Araka ny loharanom-baovao dia misy misaron-tava amin’ireny karazana taniravo ireny ireto jiolahy ireto  ary mitondra basy kalach sy basim-borona ary famaky sy sabatra ka tsy nisy nahahetsika ny rehetra tao an-trano  ary dia  narararaotra naka izay tiany ireo jiolahy vao lasa . Mihorohoro araka izany ny mponina eto amin’ny renivohitr’ Ambatondrazaka  satria efa toa lasa mitombo hatrany ny fanafihana mitam-piadiana amin’ny tokantrano sy ny trano fandraisam-bahiny ary ny tranom-barotra  tato ho ato. Ny zavatra hita aloha dia samy maka mpitandro ny filaminana sy mpiambina sivily  hiambina ny tananany ireo mpanambola ,fa ny tsy mahatakatra kosa dia izao voatafika izao,efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici