Miteraka fimenomenonana sy resabe eo anivon’ny fiarahamonina ny fahatapahan’ny jiro ato anatin’ny tananan’Ambatondrazaka sy ny manodidina .Toa saika io avokoa no resahan’ny rehetra, satria maro ireo orinasa mikatona tsy fidiny noho ny tsy fisian’ny herinaratra, toy ny fanaovam-bolo ,ny fitotoam-bary ,ireo mpivarotra izay mampiasa ny solosaina maro. Toa saika mangina ny tanana ,ireo manan-katao manana “groupe” no afaka manararaotra amin’ny asa rehetra ataony. Niteraka resabe izy io ny faran’ny herinandro lasa teo, ary ao ny efa mikonokonona hanao fitokonana faobe, ka tokony hojerena akaiky ihany sao tara loatra. Fantatra mantsy fa ny tapakandro maraina dia tsy misy ny herinaratra, nefa io no fotoana tena ikaramain’ny sasany .Andrasan’ny vahoaka ny fanazavana sy ny fampahafantarana sy ny mba hambaran’ireo tompon’andraikitra maro, toy ny solombavambahoaka sy ny olom-boatendry, nefa toa mangina izy ireo . Janus R
Articles qui pourraient vous intéresser