Raha tao anatin’ny 5 volana no hanatsarana ny lalana 900 metatra ato anatin’ny tananan’Ambatondrazaka, dia efa dila tamin’ny 01 May 2016 teo ny fe-potona tokony hahavitana ny lalana . Zara raha namboarina aradalana ny lalana, fa ireo godirao sasany ihany no hita nasiana fanamboarana hatrany ifotony fa ny sasany dia ny teo ihany no nofafana sy nodiovina ary avy eo norarahana godirao sy vatokely .Kely finoana tanteraka ny hampaharitra ny vokatra sy ny lalana ny vahoaka eto Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao ka nahatonga fimenomenonana sy fahasorenana ,tsy afa-manoatra anefa fa zara aza mba nisy nikitika sy nanamboatra ny lalana izay efa an-taonany maro no tsy nisy nikitika .Araka ny nambaran’ny ben’ny Tanana, dia tsy afaka miteny ireo mpanamboatra lalana mihitsy izy ireo, fa ny any Ambatovy no manara-maso sy miteny azy ireo ,kanefa na dia izany aza dia tokony zavatra manara-penitra no hapetraka amin’ny renivohitra toy izao fa tsy zavatra tsy zarizary mety tsy haharitra ela.
Janus R