- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Vaky ny barazy, marobe ireo traboina ao Betoloho

Ambatondrazaka : Vaky ny barazy, marobe ireo traboina ao Betoloho

Vaky ny barazy  amin’ny reniranon’i Namontana, eo akaikin’ny ny tanàna, vokatry ny tundra-drano  sy ny firotsaky ny orana tato ho ato, ka avy hatrany dia ny fokontanin’ny Betoloho mihitsy no nofahon’ity renirano ity. Tsy nisy lalan-kombana ny mponina satria tampoka ny fahatongavan’ny loza, ka maro ny zavatra simba sy lasan’ny rano, toy  ny biby fiompy, ny tahiry tao an-tanana,  ny trano. Tsy nisy aloha ny aina nafoy fa ny fahasimban-javatra no maro, misy rahateo ireo traboina tsy nanana trano hisitrihana ka namonjy ny trano fivavahana sy ny sekoly. Manao antso ho an’ny fanjakana malagasy ny mponina ao amin’ny  fokontany Betoloho  mba hijery akaiky ity tohodrano ity, satria efa matetika vaky  nefa tsy misy ny fanamboarana azy ho mafy.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser