Tsy misy tahotra intsony ny fitondrana basy eto amin’ny renivohitra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana izao , na dia ny antoandro be nanahary aza ny marainan’ny faha 19 Desambre 2016 lasa teo dia nampisahotaka ireo mpianatra tao amin’ny Lycée Antsahamarova ny nandre ny feom-basy nanakoako eran’ny tanana manakaiky ny sekoly .Tovolahy 3 no tazan’ny rehetra nandositra ary nenjehan’ny mpitandro ny filaminana izay nahagaga fa tsy naharitra ny fanenjehana na dia antoandro aza ny andro dia nijanona. Namory mpanao gazety ny fianakaviana iray izay voalaza fa voasolokin’ireo karana mpividy vato eto Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao sady nenjehan’ny mpitandro ny filaminana tao Antsahalava .Nambaran’izy ireo fa nivarotra vato tamin’ny karana iray tao Antsahalava izy ireo nanomboka ny Alahady izay nitohy ny Alatsinaina faha 19 Desambre 2016 lasa teo ,ka rehefa raikitra 700 Millions Fmg ny vidin’ny vato dia nisy karana hafa niditra ny trano ka nanambana basy tamin’ireo mpivarotra vato sady namoaka azy ireo hiala fa alainy ankeriny ny vato, nandrahona ny hitifitra mihitsy ilay karana araka ny loharanom-baovao ary nampilefa ireo mpivarotra vato fa raha tsy mandeha izy ireo dia hovonoiny , vao nitodika anefa izy ireo araka ny fanazavana dia nirefotra ny basy izay tsy hain’izy ireo hoe avy aiza na avy aiza ,nandositra ireto mpivarotra vato ary tamin’izay no voalaza fa nisy mpitandro ny filaminana nanenjika azy ireo. Ny fanazavana ihany koa no nilaza fa nisy mpitandro ny filaminana hafa ihany koa tonga tamin’ilay toerana izay ilay anabavin’ilay mpivarotra vato kosa indray no niantso azy raha ireo karana no niantso ny voalohany ,izay voalazan’izy ireo fa nivarotra vato tao amin’ilay karana no anton-dia ka izao saika hovonoin’ilay karana izao. Nametraka fitarainana eny anivon’ny fitsarana ireo mpivarotra vato nandositra noho ny herisetra nahazo azy ireo ary teny anivon’ny polisy kosa ireo karana mpividy vato nilaza fa hoe voasoloky . Mandeha ankehitriny ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao ka ho hita eo ny marina. Ny zavatra mahagaga ny vahoaka dia mitombo isa hatrany ny karana mpividy vato eto amin’ny renivohitra Alaotra Mangoro, ary toa hembenana hatrany ny trano fonenan’izy ireo na dia voambara fa tsy azo atao ny mangady vato sy mividy vato amin’ny faritra harovana fa toy ny mangalatra, anefa toa mifanohitra amin’izany ny tranga misy eto Ambatondrazaka fa ireo karana no tena manondrana sy manararaotra , ka ho hita eo ny tohin’ity raharaha mahavoatonotonona karana amin’izao herisetra izao.
Janus R