Tamin’ny herinandro lasa, enina no nararin’ny ambalavelona. Tsy mitsahatra mitomba izany amin’izao fotoana izao
Mitombo isa tsy mijanona ireo vehivavy voan’ny ambalavelona any amin’ny faritra Alaotra. Misahotaka ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Ankizy vavy 9 taona no kely indrindra ary 26 taona ny zokiny indrindra. Rehefa mihetsika ilay aretina, vokatry ny mosavy, dia miseho amin’ny endriny samy hafa. Efatra ny karazany. Ny voalohany, mitomany mafy ary avy eo mikiakiaka. Faharoa, mitoraka olona amin’izay zavatra sendra ny tanany ary manaikitra izay sendra azy. Fahatelo, mitoraka sy mikasi-tanana olona, dia lasa mandositra. Ny farany, mitabataba mafy dia mitomany manaraka izany. Ankizy vavy 16 taona no tafaresaka taminay. Amin’ny voalohany, niteny tsara izy. Rehefa izany dia milaza fa fanimpanina ary mahita bibilava menarana marobe. Tsy nijanona teo fa nilaza ho mahita olona miakanjo fotsy. Ohatra ny tsy mahatsiaro tena izy avy eo, ary dia tsy misy zavatra tadidiny intsony ny resaka nifanaovana taminy.
Tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ampasinimahazo Andranokobaka, any Andilanatoby, no tena maro ireo voa. Teo anatrehan’ny zava-nisy, nidina tany an-toerana omaly ny lehiben’ny disitirika, ny dokotera, narahana mpitandro filaminana. Novoriana ny mponina ary nisy ny resadresaka nifanaovana. Nisy ihany koa ny fanadihadiana natao. Fantatra fa misy olona ahian’ny mponina ho nanao izao zavatra izao. Nomena taratasy tsirairay izy ireo ary nasaina nosoratany tamin’ny taratasy izay olona nahiana. Rehefa nojerena dia anarana roa no niverimberina tamin’izany. Ny voalohany dia pasitera amina finagonana zandriny iray, ary ny faharoa, olon-tsotra. Avy eo, nodorana teo imasom-bahoaka avokoa ireo taratasy nisy ny anarana roa. Nisy ny vavaka natao notaritin’ny mpiandry sy mpitandrina. Misokatra lalindalina kokoa manomboka izao ny fanadihadiana.
Janus/r.s.