Rehefa manomboka miala ny herin’ny maizina dia manomboka marary ilay ramatoa matory mandamaka eo ampandriana mihitsy izy, manao “hémoragie” be ka mivoaka rà mifantsitsitra mihitsy ny orony, mitosaka ny rà eo amin ny fivaviany. Araka ny nambarany tamin’ny manodidina dia kalanoro no mipetraka aminy. Ny fiandohan’ny volana may teo dia nandamaka izy ka nampitady omby fotsiloha sy karazana loko maro. Nambarany tamin’ireo olona nirahiny fa olona ngitangita no tompon’ny omby. Rehefa hita ilay omby dia niverina ireo nirahina, ka izy avy hatrany no nidina ifotony haka ilay omby. Na dia tsy nanana na dia ariary aza ity vehivavy ity dia azony ilay omby, ary nanaiky niandry ilay volabe dimy alina sy valo hetsy vidiny ilay tompon omby. Avy hatrany dia novonoiny teo am-baravarany ilay omby lehibe iray ary notantazany tamin ny lovia ny rà, izay mbola mafana, ka najanony teo am-povoan-trano. Gaga sy talanjona ireo miray trano aminy fa tsy fantatra izay mihinana ilay rà, afaka minitra vitsy, fa dia madio avokoa ireo toerana nametrahana azy. Ny vavany misy rà no anambaran’ny rahavavin-dreniny fa izy mihitsy no misotro azy, ary itsy farany ihany no nanamafy fa mitaiza fanahy ratsy izy io ka iny no misotro ilay rà. Nametraka fitarainana tany amin’ny fokontany ilay tompon’ny omby rehefa tsy azo ny vidiny, ka ny fokontany no nitondra ity vehivavy ity teny amin ny polisy Ambatondrazaka hanaovana fanadihadiana. Araka ny fanazavana voaray dia vehivavy mpisoloky gaigy io olona io, ary efa nisoloky volabe tamin ny merikiora izy, vao haingana izay, efa nidirany am-ponja mihitsy. Mandraingiraingy avokoa izay voany, eny fa hatramin ireo banky madinika sasany aza efa voasolokin’ity vehivavy ity, ary volabe hatrany no azony. Ny lehiben ny fokontany Ambodimanga no nandray andraikitra ka nahasaronana ity mpisoloky ity, izay nambarany fa efa nokarohina hatramin izay. Mbola nahatratraraha lohan’omby tao an-tranony niampy kitoza maro. Omeny mpivarokena kosa ny omby sasany.
Janus R