- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Vehivavy nitondra rongony tanaty taxibrousse

Ambatondrazaka : Vehivavy nitondra rongony tanaty taxibrousse

Rongony 30 fonosana milanja eo amin’ny valo kilao teo ho eo no tra-tehaky ny pôlisy teny am-pelatanan’ny vehivavy iray. Tao anaty fiara mpitatitra mampitohy an’i Tanambe sy Ambatondrazaka no nahatratraran’ireo pôlisy mpanao fisavana azy, ny andron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina. Teo Ankazotsaravolo, kilaometatra vitsy tsy hidirana ny renivohitr’Alaotra no nisy fiara mpitatitra nosakanana ka nisavana ireo mpandeha nahitan’ireo polisy fihetsika hafahafa. Nozahana avy hatrany ny entana nentin’ny vehivavy iray, ka nahitana rongony, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Tamin’io fotoana io ihany, taorian’ny fisavana sy izao fahatratrarana ambodiomby izao dia nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy ity vehivavy ity. Tsy izy ihany anefa fa nosamborina ihany koa ny mpamily, hanaovana famotorana. Amin’ny toe-draharaha tahaka ity mantsy dia azo raisina ho mpiray tsikombakomba ny mpamily ny fiara. Mazava ihany koa ny voalazan’ny lalàna fa tsy maintsy hampidirana am-balam-pamonjana ny fiara tra-tehaka nitondra zava-mahadomelina. Notanana natao andrimaso tao amin’ny biraon’ny pôlisy moa ireto olona ireto, mandra-piandry ny fanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici