Nisahotaka ny vahoaka tao amin’ny fokontany Avaradrova Ambatondrazaka ny marainan’ny alakamisy faha 28 aprily 2016 teo raha naheno antsoantso fa misy mpamosavy voasambotra. Vehivavy lehibe iray sahabo eo amin’ny 50 taona any ho any no nisitrika tao anaty elakelan-trano iray tsy lavitry ny fiangonana. « Nalaza fa hoe mpamosavy tratra maraina e ,namorika azy ny ody ratsiny, hoy ny hafa dia izao tratra izao » ka vetivety dia vory vahoaka ny toerana, ary samy te hahita ity ramatoa ity avokoa . Harona iray misy lamba famonosana faty (lamba tavoahangy )roa no hitan’ny fokonolona teny aminy ,miampy fitaratra sy taniravo ao anaty fonosana ary vakana iray .Samy tsy nisy sahy nandray ity vehivavy ity ny rehetra , izy rahateo nanitrika ny tarehiny sady tsy nety niteny raha misy manontany, ka vao mainka nahamailo ny vahoaka tonga teny .Tompon’andraikitra teny anivon’ny fokontany no niantso ny polisy ka nalaky ny fahatongavana sy ny fisamborana ary rava ny tangorona .Rehefa tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ity vehivavy ity dia tsy niteny tsy nivolana ,ary voalaza fa olona marary saina araka ny voambara ka tsy hita ny hanaovana azy .Mailo sy mitandrina ny vahoaka tato ho ato, hoy ny fanazavan’ny teny anivon’ny fokontany taorian’ireny fisehon’ny Ambalavelona ireny ka samy mandray andraikitra avokoa rehefa misy tranga hafahafa miseho.
Janus R