Fiara 4X4 iray no lasan’ny ranon-trambo ny Zoma faha 05 janoary 2018 teo raha iny hiampita ny lalana iray antsoina hoe kafe, eo Feramanga Ambatondrazaka. Nivadibadika ity fiara ity noho ny hamafin’ny rano nitondra azy. Tsy nisy aloha ny naratra sy ny maty fa avotra soamantsara ireo tao anatiny .Toerana efa atahorana hatramin’izay ity toerana ity, satria mahery ny ranon-trambo mandalo eo. Tsy fantatra anefa na variana ny mpamily na nanao ahoana fa dia potika ilay fiara ,satria raha nanomboka ny zoma alina no taraiky tao anaty rano ilay fiara dia ny alahady faha 07 janoary 2018 vao afaka tao .Betsaka ny tanimbary no saron’ny rano amin’izao fotoana izao satria efa samy nahavita ny fambolena avokoa ny rehetra. Misy mihitsy aza ny efa nahamena vary aty Alaotra fa dia safotry ny ranobe .Noho ny fisian’ny ranobe taty Alaotra dia nofaohin’ny ranobe ihany koa ny tetezam-by iray ao Amboasary Andaingo ka tapaka tsy misy azo aleha ny lalana RN 44 mampitohy an’Ambatondrazaka sy Moramanga. Misy ihany ny fiolanana (deviation) fa dia tafiakatra hatrany amin’ny 4 alina ariary ny sarandalana Ambatondrazaka Toamasina ary 35 000 Ar ny Ambatondrazaka Tananarive andro vitsivitsy lasa izay raha 25 000 Ar Ambatondrazaka Toamasina teo aloha ary 20 000 Ar Ambatondrazaka Tananarivo .Miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka aty Alaotra satria nanomboka ny faha 09 janoary 2018 tamin’ny 11 ora antoandro tany ho any dia tapaka indray ny jiro ary tsy niverina izany raha tsy tany amin’ny 8 ora alina. notapahina indray nanomboka tamin’ny 4 ora maraina ary tsy mandeha ny antoandro. Tsy mandeha ihany koa ny rano any amin’ny faritra iva fa tapaka .Betsaka ireo sakafo simba sy ny tsy fahafahana miasa ho an’ireo mampiasa herinaratra amin’izao fotoana izao ka fimenomenonana no ataon’ny vahoaka. Ny teo anivon’ny JIRAMA rahateo tsy nisy fampandrenesana fa avy hatrany dia mihatra ny fanapahana. Ny loharanom-baovao voaray no nahafantarana fa lany ny solika tahiry ka tsy ampy .Mitondra faisana araka izany ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana izao ka manao antso amin’ny tokony hijeren ‘ny mpitondra haingana mba hamahana ny olana.
Janus R